<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ph. Nicolai</author>
<lyrics>[V1]
 Hobio, ry olombelona !
 Jesosy dia velona,
 Ny fasana dia rava ;
 Misokatra ny lanitra,
 Dia resin'ny mazava.
 Jeso Kristy
 No deraina sy hajaina.
 Fa Mpamonjy,
 Tompon'aina mahavonjy.

[V2]
 He ! misy làlana indray
 Ho ao an-danitra, izay
 Miandry ao ambony ;
 Fa vitan'ny Mpanavotra
 Ny vonjy mahasambatra,
 Ka sitraky ny fony
 Handray izay
 Mitomany, mba ho any
 Amin-dRainy ;
 Fa izany dia hainy !</lyrics>
<title>Hobio, ry olombelona! FFPM130</title>
<hymn_number>130</hymn_number>
</song>